HETSIKA FAMPIRATIANA SARY " HUMAINEMENT POSSIBLE"
Logo Région Androy
MINISTÈRE DE LA DÉCENTRALISATION ET DE L'AMÉNAGEMENT DU TERRITOIRE

REGION ANDROY
Menu Principal

HETSIKA FAMPIRATIANA SARY " HUMAINEMENT POSSIBLE"

Publié le : 15/07/2025

- Notanterahina teto Ambovombe Androy anio 15 Jolay 2025 ny HETSIKA FAMPIRATIANA SARY, " HUMAINEMENT POSSIBLE, Vaccination pour tous" hanamafisana ny fanatratrarana ny vina Minisitera fahasalamam-bahoaka fanaovam-bakisiny 95% hatramin'ny desambra 2025 sy ho fampisitrahana ny Zon'ny ankizy.

- Tanjona ny famerimberenana ny vakisiny fanao andavan'andro.
- Nandritra ity fotoana ity koa no notokanana ny BIRAO vaovao fiasan'ny UNICEF eto amin’ny Faritra Androy , ato anatin'ny kaominina Ambonivohitra Ambovombe Androy.
Manamafy ny fiaraha-miasa amin'ny sehatr'asa marolafy manakaiky aty ifotony hisitrahanireo Zaza ny Zon'ny( ara-pahasalamana, Fampianarana, aratsakafo, rano fisotro madio sy tsy hatao fitaovana ny zaza na tsy hanantsafidy) izao fisian'ny birao toeram-piasan''ny UNICEF izao.
.-Tonga nitokana ny Tranom-piasana vaovao ity taty an-toerana Rtoa CHRISTINE Jaulmes, maso ivohany maharitra ny UNICEF eto Madagascar.
Tonga nanome voninahitra sy nitarika ny lanonana teto koa ny teo anivon'ny Governora ny Faritra Androy izay nosoloan'ny Directeur des Infrastructures et Développement tena sy ny Préfektiora , ny Ben'ny tanana Ambovombe Androy ary ireo Talen'ny sampan-draharaham-panjakana sy ny mpiara- miombonantoka misy aty an-toerana niara nanotrona.
Ho an'ny ankizy eto amin'ny Faritra Androy

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.