16 Aprily 2026-ATRIK'ASA IRAISAM-PARITRA HO AN'NY FANDRIAMPAHALEMANA ATY ATSIMO SY AKON'NY FIDINANA IFOTONY Soanala sy Imanombo
Faritra 5 ( Androy,Anosy, Atsimo Andrefana, Ihorombe, Atsimo Atsinanana)no nandray anjara amin'ny dinika momba ny fandriampahalemana notanterahina teto Ambovombe Androy izay notarihin'ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana RAKOTONDANDRASANA Hanitra Velonjara Tiaray, notronin' ny Lehiben'ny Faritra Androy Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot, sy ireo Lehiben'ny Faritra Anosy sy Atsimo Andrefana ;
- Lefitry Faharoa ny Komandin'ny Zandarimariam-pirenena, ny Komandin'ny Faripiadidian'ny Zandarimaria Toliara, Ny Lehiben'ny Fileovana Androy ,Anosy,Atsimo Andrefana , Ihorombe , Ny Tale Jeneraly Imprimerie Nationale, ireo Lehiben'ny Distrika ,ireo manam-boninahitra avy amin'ny zandarimaria Androy sy Anosy, ireo Talem-paritra ary ireo Ben'ny Tanàna ato anatin'ny Faritra dimy sy ny CAA.
Isaorana ny Filohan'ny FANAVAOZANA ny Repoblikan'ny Madagasikara Kolonely RANDRIANIRINA Michaël tompon'ny fanapahan-kevitra ho fametrahana fandriampahalemana maharitra sy fiaraha-mientana ny rehetra.
Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !