AMBAHITA, Fangoala Distrika BEKILY 10 May 2026. Fanatanterahana tsy misy atakandro ny "démolition contrôlé barrage" ( fandravana arahana fanaraha-maso tohadrano)
Nidina ifotony ny Lehiben'ny Faritra Androy Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot niaraka amin'ny OMC Androy sy ny Fitaleovam-paritra ny RANO Fidiovana sy Fanadiovana Androy, ny Tontolo iainana ,ny Asa Vaventy, ny Komandy Holafy 518 Toby Miaramila Bekily ary ny Lehiben'ny Distrika Bekily.
-💧Raha niara-niresaka tany amboalohany amin'ny Société COMPAX ny Lehiben'ny Faritra momba ny fanatanterahana izany fandravana barrage izany dia nandrirarira sy sy nandà ankolaka ireo Sinoa ny fanesorana izany.
-💧Koa satria manana ny fiandrianany ny firenena Malagasy sy ny lalàna ato aminy dia nijoro ny Lehiben'ny Faritra amin'ny Fandrava izany tsy misy atakandro.
Sady fihenoana ny feon'ny vahoaka no fanehoana fa misy ny Fanjakana tarihin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Tarihin'i Kolonely RANDRIANIRINA Michaël.
🏞️Efa mandeha tanteraka ny rano ary mitohy ny fanesorana azy tanteraka amin'ny alàlan'ny mpamily milina avy amin'ny Faritra Androy.
-Manentana antsika rehetra mba samy handray andraikitra tandrify azy araka ny fotoana sy ambaratongany fa ny Faritra Androy dia tsy hanaiky na amin'ny fomba ahoana ny fanitsakitsahana lalàna Malagasy sy zo fototra ny mponina aty Atsimo.
-Isaorana ny rehetra niaraka nanatanteraka izao fandravana tsy misy atakandro izao niaraka amin'ny Fileovana Ambovombe, ny Komandin'ny vondrotobim-pileovana Androy sy ny Polisimpirenena ary ireo miaramila.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !