05 Janoary 2025 - TAFATAFA NIARAHAN'NY LEHIBEN'NY FARITRA ANDROY SY IREO TANORA HIFANOME TANANA ARA-PANDROSOANA
Logo Région Androy
MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATION

REGION ANDROY
Menu Principal

05 Janoary 2025 - TAFATAFA NIARAHAN'NY LEHIBEN'NY FARITRA ANDROY SY IREO TANORA HIFANOME TANANA ARA-PANDROSOANA

Publié le : 06/01/2026

Tamin-kafaliana sy ampitsikiana tanteraka no nandraisan'ny Lehiben'ny Faritra Androy Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot ireo tanora hiara-midinika sy hifampizara ny hahasoa sy hampandroso an'ny Androy.

Koa satria nianga amin'ny fihainoana ny Tanora izao fitondrana Fanavaozana ny Repoblika izao , dia nomena sehatra ny feo ny Tanora eto Androy.

Nihaino ny hetahetan'izy ireo ny Lehiben'ny Faritra araka ireo olana isan-karazany nambarany amin'ny sehatra marolafy:
- Fampanan'asa, fampianarana tsizarizary ( ambanikily), fanilihana amin'ny endriny samihafa, fivezivezena eny amin'ny Université CURA izay lavitra , fisitrahana ireo tolotra ho entina mamita fikarohana ato Androy.

Hafaliana lehibe no nasetrin'ireo tanora ny Lehiben'ny Faritra ny fahavononany hanome lanja ny tanora , nanasa sy hihaino azy ireo.

Hiaraka hampandroso an'ny Androy isika , ary aza asiana elanelana ny fampitana hafatra ho fampandroana ny Androy araka ny lahateny Lehiben'ny Faritra Androy .

Nantombony amin'ny fizarana LAHARANA ANTARIBY Izany izay AZO ANDEFASANA HAFATRA SY ANTSO, hihainoany azy ireo sy hahalala ny zavamisy ato Androy.

- Hotohizany ny fiaraha-miasa amin'ny ANJOMBANKILALA ANDROY,
- Hampitainy aminy tompon'andraikitra arak'asa eto Androy ny fanatsarana ny tolotra ho tombotsoan'ny tanora Androy.
- Homena sehatra ny tanora

Samy niaraka nanagan-tanana nifanaiky ireo tanora marobe sy ny Lehiben'ny Faritra Androy hanehoana izany fahavononana izany hiara-mientana hihazakazaka tsy miolankolana ho fampandrosoana iaraha-manao.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.