TETIK’ASA MIONJO-MISSION SUPERVISION VATSIAN’NY BANKY IRAISAM-PIRENENA VOLA ATO ANDROY
Logo Région Androy
MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATION

REGION ANDROY
Menu Principal

TETIK’ASA MIONJO-MISSION SUPERVISION VATSIAN’NY BANKY IRAISAM-PIRENENA VOLA ATO ANDROY

Publié le : 15/03/2026

Nanatanteraka MISSION SUPERVISION ato amin’ny FARITRA ANDROY ny tetik’asa MIONJO izay vatsian’ny BANKY iraisampirenena vola nanomboka 10 marsa 2026 ka mbola mitohy;
Natomboka tamin’ny fihaonana amin’i Lehiben’ny Faritra Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot ny fotoana, miaraka amin’ny Lehiben’ny Fileovana Ambovombe sy ny ekipa tekinina ny Faritra.

Noraisin’ny Lehiben’ny Faritra ny solotenan’ny Banky Iraisam-pirenena, notarihin-dramatoa JOANNA De Berry (Task Team Leader_ TTL), niaraka tamin’ny ekipan’ny UNGP MIONJO notarihin-dRamatoa Anjara MANANTSARA sy ny solotena avy amin’ny Ministera foibe miara-miasa amin’ny tetik’asa (Ministera mpiahy MID, ny vola, ny fambolena sy fiompiana,ny fananantany, Jono)ary ireo AGEX;

Tao anatin’ny lahadinika no nitondran’ny Lehiben’ny Faritra ny fisaorana ny Tetik’asa MIONJO amin’ny zavabita sy ny fandrosoana noentiny ary ny nirariany ny hitohizan’ny tetik’asa hifototra amin’ny laharam-pahamehana mifandraika amin’ny rano fosotro madio sy rano ho an’ny fambolena sy fiompiana.

Aim-baovao ara-panavaozana ho an’ny Androy ny tetik’asa MIONJO ary mirary sy manantena ny Fanjakana Malagasy indrindra ny famatsiana ara-bola ny Banky Iraisam-pirenena hitohizany.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.