Logo Région Androy
MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATION

REGION ANDROY
Menu Principal

PACT VERTE-ATRIK’ASA MOMBA NY PROGRAMME RESILENCE ATY ATSIMO IARAHAN’NY FARITRA ANDROY SY ANOSY

20 vues
01/04/2026

Notanterahina teto amin’ny Renivohitrin’ny Faritra Androy ny Atrik’asa fampahalalana ny Tetik’asa «PACT VERTE PROGRAMME RESILIENCE GRAND SUD» izay vatsian’ny Vondrona Eropeanina, ahitana Mpiara-miombonantoka maro ( PNUD, UNICEF,CARE,PAM, FAO, TALAKY be.

Ny Ministera ny Vola no nisolo ny Fanjakana foibe niara-nanao sonia tamin’ny Vondrona Eropeanina izany fiaraha-miasa izany.
Ny Fandaharan’asa dia mahasahana mponina 230 000 no hisitraka izany ao anatin’ny Distrika 06 ahitana Kaominina 38 ao anatin’ny Faritra Androy sy Anosy. Izay haharitra DIMY TAONA (2025-2029).

Tanjon’ny Tetik’asa ny Fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny rafim-pambolena miovaova mifanaraka amin’ny fiovaovan’ny toetrandro; manatsara ny fitantanana ireo harena voajanahary;Fiaraha-mientan’ny mponina momba ny fintantanana ny loza sy ny tandinondoza.

Nitarika ireo mpiara-miombonantoka ny avy amin'ny vondrona Eoropeanina notarihan’Andriamatoa Chef de coopération de l'Union Européenne;ny ny Représentante pays CARE, Coordonnateur Adjoint PNUD,ny Représentant Adjoint de l'Unicef, ny Représentant Adjoint FAO, sy ireo mivondrona ao amin’ny Firenena mikambana sy tsy miankina amin’ny Fanjakana.
Ho an’ireo solotenam-panjakana kosa dia notarihan’ny Lehiben’ny Faritra Androy sy Anosy ary natrehanireo Talem-paritra Anosy sy Anosy am’ny sehatr’asa voakasik’ny tetik’asa(RANO,TONTOLO IAINANA, FANJARIANTSAKAFO, JONO ARY FAMPANDROSOANA NY FARITRA)
Tanjona arak’izany ny fanamafisana ny fahaiza-miatrika ny mpoina ato anatin’ny faritra roa tonta (ANDROY SY ANOSY) mba tena handeha mafy sy hamaly ny filan’ny mponina.

Miteraka fiovana sy fanavaozana ho an’ny Faritra , distrika ary Kaominina izao tetik’asa izao hoy ny Lehiben’ny Faritra Androy saingy tokony hifototra amin’ny rano fisotro sy ny hoan’ny fambolena sy ny biby fiompy hiverenan’ny mpitsoam-ponenana sy hanjakan’ny fandriam-pahalemana fa indrindra ny fampandrosoana maharitra sy malaky.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.

Commentaires

Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !

Laissez un commentaire