26 Febroary 2026 ATRIK'ASAMPARITRA HANDINIHANA NY ADY AMIN'NY FANONDRANANA SY FIHINANANA SOKATRA 25/02/2026 - COC ALAMAHAVELO
Publié le : 03/03/2026
Ho fanatanterahana ny Politikam-panjakana, mahakasika ireo biby tokony harovana, indrindra momba ny SOKATRA dia notanterahina ny atrik'asa hamantarana ny ZAVA-MISY sy hadrindrana miaraka ny asa hiadiana amin'ny fanondranana sy fihinanana sokatra, izay fiaraha miasa amin'ny Fitaleovam-paritra ny Tontolo iainana sy Fampandrosoana Lovainjafy Androy, miaraka amin'ny TSA Madagascar sy ny PA-CIWT.
Nitarika izany ny Lehiben'ny Faritra Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot dit Djiby FIRAVOA, notronin'ny Lehiben'ny Fileovana Ambovombe, ireo Sefo Distrika efatra , ny avy amin'ny mpitandro filaminana, ireo Ben'ny Tanàna ahitana ny fivezivezen'ny sokatra na toerana manaramaso ,ary ireo mpian-tsehatra eo anivon'ny Fitaleovam-paritra sy ny TSA Ary ny tetik'asa PA-CIWT .
Taorian'ny fifampizarana dia resy lahatra ny rehetra ka namoaka Tondrozotram-paritra Androy hiadiana amin'ny fanondranana sy fihinanana sokatra.
Mifaningoka amin'ny fandrindrana asa ny fampiharana ny LILINTANE SY DINAN'I ANDROY amin'ireo voarohirohy amin'ny halatra sokatra.
Mahaleotena manokana anefa ny rafi-pitsarana amin'ny fampiharana ny lalàna manankery raha misy tranga miseho.
Mankahery ny rehetra hiara- mientana amin'ity ady fanondranana sy fihinanana sokatra ity fa ambanin'ny lalàna ny rehetra.
TSY MISY TSY MATY MANONTA FA SAHIA MITOROKA SY MITORY RAHA MAHITA TRANGA.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
