15 desambra 2025-Fitsidihan'ny Minisitry ny mponina sy ny firaisankina
Publié le : 16/12/2025
Tonga eto Ambovombe anio 15 desambra 2025 Ramatoa Minisitry ny Mponina sy Firaisankina 𝗥𝗔𝗛𝗔𝗥𝗜𝗡𝗜𝗥𝗜𝗡𝗔 𝗦𝗶𝗱𝗼𝗻𝗶𝗲, mpikambana ao amin'ny Governemanta Fanavozana ny Repoblika Malagasy.
Anisan'ny antondiany moa ny fifanaovantsonia fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran'ny Mponina izay tantaniny sy ny ONG DIRECT AID amin’ny fiahiana ny maha olona eto Madagasikara ka ny faritra Androy no nisantarana izany.
Hoan'ny District Ambovombe manokana dia tokantrano ahitan
marefo sy zokiolona 3000 eo no hisitraka izany fanampiana aratsakafo izany.
Antondiany faharoa ny fitsidihana ny CRM AMBOVOMBE izay simba noho ny fandalovan'ny rivodoza. Ka tamin'izany no nandinihana ny fomba hanarenana azy sy ny mpiara miombonantoka hiara misalahy amin'ny fanamboarana ny simba.
Fahatelo dia fanolorana ny espace Sur na sehatra ifampizaran’ny samy vehivavy izay fiarahamiasan’i Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina sy ny UNFPA ka ireo birao fikambanam-behivavy 08 Mars Androy no hitantana azy ary efa nasiana fitaovana isankarazany.
Tonga nanotrona azy tamin'ireo ny Governora mpisolo toerana Androy, ny Lehiben'ny Fileovana Ambovombe, ireo mpiara miombonantoka, ny OMC Androy, ireo Talemparitra miasa eto Androy, ny Ben'ny Tanana Ambovombe ary ny solotenan’ireo vevivavy 08 Martsa.
ISAORANA NY MINISITERAN’NY MPONINA SY NY ONG DIRECT AID Ary ny UNFPA ho fampandrosoana ny ANDROY.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
