Logo Région Androy
MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATION

REGION ANDROY
Menu Principal

AMBOVOMBE 01 MAY 2026- FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY ASA TETO ANDROY

2 vues
01/05/2026

“Mpiasa Malagasy, foto’ty fagnavaozagne vata’e, antoke ho’ey ty fampandrosoagne.”

Natomboka amin'ny FANADIOVANA ARA-PANAVAOZANA fanamarihana ny Fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Asa teto amin’ny Faritra Androy.

Nisantarana ny Fankalazana dia nisy fanadiovana ny Lalam-pirenena Faha 13 sy ny Hopitaly CHRR Monja Jaona niarahan'ireo mpiasam-panjakana sy ireo tsy miankina.

Taorian'izay dia nitohy tao amin’ny SACRÉ CŒUR eto Ambovombe Androy ny fotoana.
Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana ireo manam-pahefana sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny, ka anisany: ▪️ Lehiben'ny Fileovana Ambovombe Androy
▪️ Sekretera Jeneraly ny Faritra Androy
▪️ SG-n’ny Kaominina Ambonivohitra Ambovombe Androy
▪️ Talem-paritry ny Asa, Fampanan’Asa ary ny Asam-panjakana eto Androy
▪️ Ireo Talem-paritra samihafa
▪️ Ireo Tanora
▪️ Ary ireo mpiara-miombon’antoka maro samihafa,

Nivoitra tao anatin'ny lahateny ifandimbiasana ny tokony hanajana ny asa sy ny lalàna momba izany ary ny hisitrahan'ireo tanora ato amin'ny Faritra manoloana ireo fandraisana mpiasa fa tsy ho voailikilika.

Taorian’ny lanonam-panokafana dia notohizana tamin’ny:
_Fitsidihana ireo tranoeva
_Fanentanana sy fampahafantarana iarahan’ireo mpisehatra rehetra.
-Lohahevitra nasongadina nandritra izany: 🩺 Fampahafantarana momba ny fahasalamana eny am-piasana
-Fandraisana mpiasa haingana (Speed Recruiting)
-Fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny SMIE

Isaorana ny fiomboan'ny rehetra nankalaza izany anio fa indrindra ny fampitaovan'ny Faritra Milina hanadiovana ny Hopitaly.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.

Commentaires

Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !

Laissez un commentaire