12 Desambra 2025-Atrikasa fankatoavana ny PTBA sy ny drafitrasa fanaraha-maso ny tetikasa MIONJO
Logo Région Androy
MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATION

REGION ANDROY
Menu Principal

12 Desambra 2025-Atrikasa fankatoavana ny PTBA sy ny drafitrasa fanaraha-maso ny tetikasa MIONJO

Publié le : 14/12/2025

Nontanterahina tao Antananarivo ny fivorian’ny Komity Nasionaly mpandrindra ny tetikasa MIONJO, notarihin’ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Atoa RATOKONANDRASANA Hanitra Velonjaratiana Tiaray, ary natrehin’Atoa Dr RAZAFINDRIANIANA Minosoa Anjaratiana Elia, Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, Général de Division LYLISON René de Rolland Urbain, Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany ary Atoa RASATARIMANANA José Nirina, Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana.

Ny tetikasa MIONJO, izay eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana ary vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola, dia miasa amin'ny sehatra maro samihafa, dia ny fampivoarana ny famokarana, ny fitantanana ny eny ifotony, ny fanatsarana ny fisitrahana rano sy ny fanadiovana,
Nandray anjara tamin'izany koa ireo mpikambana ao anatin'ny « Comité de Pilotage » (COPIL), anisan'izany ny Lehibe Mpanatanteraka Rejional Androy mpisolo toerana RASOLONDRAIBE Germain. Sy ny CER mpisolo toerana Anosy sy Atsimo Andrefana.

𝐍𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐯𝐨𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐝𝐢𝐚 𝐧𝐢𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐧𝐢𝐤𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐚𝐬𝐚 𝐯𝐢𝐭𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐥𝐚𝐬𝐚. 𝐍𝐚𝐬𝐨𝐠𝐚𝐧𝐝𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐭𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐧𝐚𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐨𝐦𝐛𝐲 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐚𝐧𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐭𝐢𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐡𝐨 𝐞𝐧𝐭𝐢-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟔 (Plan de Travail et Budget Annuel)

𝗧𝗮𝗻𝗷𝗼𝗻𝗮 𝗹𝗲𝗵𝗶𝗯𝗲 𝗻𝘆 𝗵𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗶𝘃𝗲𝗹𝗼𝗺𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝘆 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗶𝘀𝗮 𝟮𝟯𝟱, 𝟭𝟲 𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮, 𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻ô𝘀𝘆, 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼𝘆, 𝗮𝗿𝘆 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗺𝗼 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗲𝗳𝗮𝗻𝗮.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.