Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu
Actualité Régionale

31 May - 01 Jiona 2026- RAID AKADEMIA MIARAMILA 2026 roa andro eto Ambovombe Androy

Mandalo eto Ambovombe ireo Manam-boninahitra sy mpianatra ho manam-boninahitra miaramila ny ACMIL ANTSIRABE, ho fanatanterahana ny RAID ato amin'ny tapany Atsimo Anosy sy Androy.
Nandritra izany ny fampahafantarana ireo vahoaka eto amin'ny renivohitry ny faritra Androy ireo dingana atao raha maniry handray anjara sy hiofana ho mpianatra ho manam-boninahitra miaramila sy ireo ambara-tonga fitsipika sy sedra ara miaramila sy fitaizana amin'ny fiofanana alohan'ny hivoahana amin'ny fiofanana.

Ny andro faharoa no nanaovan'izy ireo ny fitsaboana maimaim-poana teo anivon'ny efitranon'ny Faritra sy nanoloana ireo kidoro 50 sy trano lay hoan'ny Distrika dimy ato anatin'ny Faritra ka ny tompon'andraikitra eto antoerana no hijery ny ho fitsinjarana izany.

Marihina fa efa maro ny zanakin'ny Faritra niofana sy nivoaka tao amin'ity Sekoly ACIMIL Antsirabe ity, anisan'izany ny Filohan'ny FANAVAOZANA ny Repoblika Madagasikara.
Nandray azy ireo ny Lehiben'ny Faritra Androy , ny Lehiben'ny FILEOVANA Ambovombe ary ireo mpiasam-panjakana eto antoerana.

Galerie Photo de l'Événement

25 photos

Cliquez sur une photo pour l'afficher en grand écran.

Commentaires & Réactions

Aucun commentaire pour l'instant. Soyez le premier à réagir !
Laisser un commentaire public