30 janoary 2026 - ATRIKASA FANKATOAVANA NY TATITRA NY ZAVA-BITA NY TETIK'ASA MIONJO NY TAONA 2025 SY FANKATOAVANA NY ASA HATAO 2026 Antananarivo 29 sy 30 JANOARY 2026
Logo Région Androy
MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATION

REGION ANDROY
Menu Principal

30 janoary 2026 - ATRIKASA FANKATOAVANA NY TATITRA NY ZAVA-BITA NY TETIK'ASA MIONJO NY TAONA 2025 SY FANKATOAVANA NY ASA HATAO 2026 Antananarivo 29 sy 30 JANOARY 2026

Publié le : 06/02/2026

Nontanterahina tao Antananarivo ny fivorian’ny Komity Nasionaly mpandrindra ny tetikasa MIONJO naharitra roa andro izay notarihin’ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana Filohan'ny CNP, Atoa RAKOTONANDRASANA Hanitra Velonjara Tiaray ary natrehin’Atoa Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga , CHAN KIT WAYE Jaco ary ny Mpandrindra Nationaly Tetik'asa Mionjo.

Nandray anjara ny Lehiben'ny Faritra Androy Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot sy ireo Lehiben'ny Faritra Anosy sy Atsimo Andrefana izay mpikambana ao anatin'ny " Comité de Pilotage" COPIL.

Nanatrika Izany ihiany koa ireo AGEX ( Agent Exécution) miara miasa amin'ny Tetik'asa Mionjo.

𝐍andritra ny fivoriana ihiany koa no nisaoran'ny Lehiben'ny Faritra ireo ezaka vita ho fampandrosoana ny Faritra sy ny Kaominina izay amin'ny sehatra marolafy miaraka amin'ny MIONJO sy nitondrany toromarika ho fahombiazan'ny tetik'asa sy hamaly ny tena filan'ny vahoaka.

Irariana ny hitohizan'ny tetik'asa MIONJO ary hisandrahaka sy hipaka eny ifotony ireo asam-pampandrosoana mba ho tsara tantana sy iaraha manao.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.