Fidiran'ny soritr'aretina VARIOLE DE SINGE ( NENDRAN-DRAJAKO) eto Madagasikara
Publié le : 31/12/2025
Manoloana ny fidiran'ny soritr'aretina VARIOLE DE SINGE ( NENDRAN-DRAJAKO) eto Madagasikara dia nivory maika ny Organe mixte de conception (OMC) miaraka amin'ny Ekipa ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalam-bahoaka. Nivoitra arak'izany ny ho fiomanana sy fandraisana andraikitra rehetra raha sanatria misy tranga na soritraretina mampiahiahy ato amin'ny faritra Androy. Tonga nandray anjara sy nanolo-kevitra tamin'izany ny Lehiben'ny Faritra Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot
Manentana antsika rehetra vahoaka mba ho tony hatrany ary hanaraka ny toromarika omen'ireo tompon'andraikitra ara-pahasalamana amin'ny fanentanana sy ny filazana samihafa ary mba tsy hanao dokotera tena fa hanantona tobi-pahasalamana raha misy izany.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
