FARITRA ANDROY | NITSIDIKA IFOTONY NY RAHARAHA RN10 NY LEHIBEN'NY FARITRA ANDROY.
Noho ny fitarainan'ny mponina ao Antragnoroa mikasika ny tracé handalovan'ny lalam-pirenena RN10, izay voalazan'izy ireo fa tsy nisy fifampidinihana sy fifanakalozan-kevitra niarahana tamin'ny vahoaka voakasika, dia nidina ifotony tany an-toerana ny Lehiben'ny Faritra Androy, Dr Djiby FIRAVOA, mba hijery akaiky ny zava-misy sy hihaino mivantana ny hetahetan'ny mponina.
Nandritra izany fidinana ifotony izany dia nihaona tamin'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny sy ireo solontenan'ny vahoaka ny Lehiben'ny Faritra.
Nohenoina tamim-pitandremana ny fitarainana sy ny soso-kevitra rehetra, mba hahafahana mamolavola vahaolana mifanaraka amin'ny tombontsoan'ny besinimaro sy ny fampandrosoana maharitra ny Faritra Androy.
Taorian'ny dinika dia nisy ireo soso-kevitra nifanarahana, izay hatolotra eo anivon'ny orinasa manatanteraka ny asa fanamboarana ny RN10 sy ny Minisitera misahana ny Asa Vaventy, mba hodinihina sy handraisana fanapahan-kevitra mifanaraka amin'ny zava-misy eny ifotony.
Ny Faritra Androy dia manamafy hatrany ny maha-zava-dehibe ny fifampidinihana sy ny fihainoana ny feon'ny vahoaka amin'ny fanatanterahana ireo tetikasa fampandrosoana, mba hahazoana antoka fa tena mitondra tombontsoa ho an'ny rehetra ireo fotodrafitrasa tanterahina.
Fampandrosoana maharitra dia miainga amin'ny fifampihainoana sy ny fiaraha-miasa.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !