25 janoary 2026 - FITSIDIHAN'NY LEHIBEN'NY FARITRA ANDROY ny DISTRIKA TSIHOMBE SY FANOLORANA VARY AVY AMIN'NY FILOHA FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
Publié le : 04/02/2026
Ankafaliana tanteraka no nandraisan'ny Distrika Tsihombe ny Lehiben'ny Faritra Androy Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot nanomboka tamin'ny fitsenana ka hatrany amin'ny Kianja Filalaovam-baolina Tsihombe.
Nametraka hafatra mafonja hoan'ny vahoakan'ny Tsihombe izy ary nanome toky fa hampitovy tantana ireo District 5 ka tsy hisy hatao zanak'ikala hafa fa mitovy ny fitantanana azy.
Zava-dehibe faharoa izao fitsidihana izao ny fanolorana vary 200 lasaka avy amin'ny Filohan'ny Fanavaozana Repoblika Madagasikara Kolonely RANDRIANIRINA Michaël hoan'ny fianakaviana marefo sy ireo beantitra.
Izany dia manaporofo ny fitovian-tantana ny Distrika 5 ato anatin'ny Faritra Androy izay tsy misy atao ankilabao.
Hoavy tsy hoela ny fizarana tambin-karama ny sefo fokontany, 9 volana izay izy tenany no hanatitra izany isaky ny Distrika.
Nifanaiky ary samy nanangatanana ankavanana niaraka amin'ny Lehiben'ny Faritra ireo Ben'ny Tanana fa vonona hiara-hampandroso ity District ity izy ireo.
Nohamafisiny Lehiben'ny Faritra amin'ny Tanora fa vonona hanome sehatra ireo tanora ato amin'ny Distrika Tsihombe izy.
Natomboka Izany tamin'ny fihainoana azy ireo manokana, nifampidinika ny olana sy ny hetahetan'izy ireo toy ny nataony tamin'ny Distrika 4.
DIMY IZAY IRAY I ANDROY
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
