Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu

TSIHOMBE – FARITRA ANDROY | FANANGANANA NY PLATEFORME DES PÊCHEURS

11 vues
07/10/2026

Tsihombe, Faritra Androy

Notanterahina tao amin’ny Distrikan’i Tsihombe ny fifidianana ireo mpikambana handrafitra sy hananganana ny Plateforme des Pêcheurs ato anatin’ny Faritra Androy.

Tonga nanatrika sy nanome voninahitra izao fotoana izao ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, anisan’izany ny Lehiben’ny Distrikan’i Tsihombe, ny Lehiben’ny Distrikan’i Beloha, ny Tale Misahana ny Raharaha Sosialy (DAS) eto anivon’ny Faritra Androy, ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga, ary ny Talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy eto Androy.
Nanatrika izany ihany koa ireo Ben’ny Tanàna avy amin’ireo kaominina 12 amorontsiraka, dia ny: Marolinta, Soamanagnitry, Tsanovaho, Faux Cap, Antaritarike, Anjampaly, Ambazoa, Erada, Tsimanagnada, Ambovombe, Maroalomainte ary Maroalopoty.

Ny fananganana ity Plateforme des Pêcheurs ity dia dingana lehibe ho amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fandrindrana ireo mpisehatra amin’ny sehatry ny jono eto amin’ny Faritra Androy.
Tanjona amin’izany ny hanamafisana ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny fivelomana mifototra amin’ny harena an-dranomasina, ary koa ny fiarovana sy fitantanana maharitra ny tontolo an-dranomasina, indrindra amin’ny alalan’ny rafitra LMMA (Locally Managed Marine Area) sy ny Fédération.
Amin’ny alalan’ity rafitra vaovao ity dia antenaina ny hisian’ny feo iray sy fiaraha-mientana matanjaka kokoa eo amin’ireo mpanjono sy ireo tompon’andraikitra, ho fiarovana ny harena an-dranomasina sy ho fampivoarana maharitra ny sehatry ny jono, izay anisan’ny fototry ny fiveloman’ny mponina amorontsiraka eto Androy.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.

Commentaires

Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !

Laissez un commentaire