05 Janoary 2025 - FIHAONAN'NY LEHIBEN'NY FARITRA ANDROY AMIN'IREO SEFO FOKONTANY SY NY LEFINY ATO KAOMININA AMBONIVOHITRA AMBOVOMBE
Publié le : 05/01/2026
Noraisin'ny Lehiben'ny Faritra Androy Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot tao amin'ny efitrano malalaka ny Faritra Androy ireo Sefo Fokontany sy ny lefiny ato anatin'ny Kaominina Ambonivohitra Ambovombe Androy.
Tonga nanotrona azy ny Lehiben'ny Fileovana Ambovombe sy ireo mpiara-miasa akaiky amin'ny Lehiben'ny Faritra.
Nosoritany ny lalan-tsaina fampandrosoana hitondrany ny Faritra Androy mifandraika amin'ny politikam-pampandrosoana ny Fanavaozana ny Repoblika Madagasikara:
- Ny vahoaka no masimandidy,
- Fahatoniana ho an'ny vahoaka,
- Fampandrosoana iaraha-manao amin'ny maha dimy sy iray an'ny Androy.
Samy niaraka nanangan-tanana havanana na ny Lehibe'ny Faritra na ireo Sefo Fokontany sy ny lefiny fa ho iray Sambo hiaradia ho fampandrosoana ny Androy ary hanaraka ny fanarahan-dalana tsimiolakolaka amin'ny fahefana napetraky ny vahoaka ho tombotsoan'ny Androy.
Mbola ho tonga koa ny an'ireo Districts 4 ato amin'ny Faritra, dia i Antanimora sy Bekily i Tsihombe ary Beloha.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
