07 FEBROARY 2026 - Fanamafisana fahaiza-manaon'ny KOMITY MPANATANTERAKA NY DINA (KMD) sy fampahafantarana ny mahakasika ny DINAN'I ANDROY sy ireo fanatsarana teto Antanimora
Publié le : 08/02/2026
Taorian'ny ny fankan-kevitra ifotony momba ny DINAN'I ANDROY izay nahazo fankatoavan'ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Ambovombe Androy; dia nidina ifotony tao Antanimora ny avy amin'ny Faritra sy ny Fitsarana .
Anton-dia ny hitondrana fifampizarana sy fampahafantarana ety ifotony ny momba ny Dina sy ny fanatsarana misy ary fampiofanana ireo Komity Mpanatanteraka ny Dina hampihatra izany eny ifotony.
Nitarika izany ny Solotenan'ny Lehiben'ny Faritra , IMARA Fulgence Justin Lehiben'ny Sampandraharaha misahana ny lalàna eo anivon'ny Faritra, sy ny Mpitsara mpanao famotorana nisolotena ny Filohan'ny Fitsarana ambaratonga voalohany Ambovombe ary ireo solotenan'ny Lehiben'ny Distrika Antanimora sy ny avy amin'ny zandarimariam-pirenena sy ny Ben'ny Tanana.
Ny Kaominina Antanimora, Jafaro, Andragnanivo, no nisitraka fiofanana tamin'ny alalan'ireo KMD.
Velompisaorana ny rehetra nanatrika izany ary samy naneho fahavononana hampihatra ny voaraikitra ao anatin'ny Dina.
Isaorana manokana ny PBF(Fonds pour la Consolidation de la paix), PNUD Madagasikara , Tetik'asa LANDJA ary ny Association MAGNASOA nitantsoroka nahafahana nanatanteraka izao asa izao.
Mbola hitohy izany fidinana ifotony izany manerana ny Distrika rehetra ato anatin'ny Faritra Androy.
Fifanarahana iombonana sy Fifampifehezana ho fandrindrana ny fiaraha-monina no tanjon'ny DINAN'I ANDROY.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
