24 janoary 2026-FITSIDIHAN'NY LEHIBEN'NY FARITRA ANDROY ny DISTRIKA BELOHA SY FANOLORANA VARY AVY AMIN'NY FILOHA FANAVAOZANA HO AN'NY MAREFO SY BEANTITRA.
Logo Région Androy
MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATION

REGION ANDROY
Menu Principal

24 janoary 2026-FITSIDIHAN'NY LEHIBEN'NY FARITRA ANDROY ny DISTRIKA BELOHA SY FANOLORANA VARY AVY AMIN'NY FILOHA FANAVAOZANA HO AN'NY MAREFO SY BEANTITRA.

Publié le : 03/02/2026

Ho tohin'ny fitsidihana isaky ny Distrika dia anjaran'ny BELOHA ANDROY indray izao.
Namangy an'ny Distrika Beloha Androy ny Lehiben'ny Androy Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot.

Fotoana hitafany mivantana amin'ny vahoaka, Ben'ny tanana, mpiasam-panjakana ary indrindra ny tanora.
Nanotrona azy ny avy amin'ny Distrika, ny solotenan'ny Solombavam-bahoaka BELOHA, ny DREN ANDROY ireo

Ben'ny Tanana ary mpiasam-panjakana ao antoerana.
Tamin'izany ihiany koa no nanolorany ny vary 200 lasaka avy amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Rebolika ny Madagasikara Kolonely RANDRIANIRINA Michaël.

Velom-pisaorana ny Filoha ny Ben'ny Tanana Beloha, tsy nanadino azy ireo ary nanendry ny zanaky ny Faritra ho Talem-paritra.

Nambaran'ny LEHIBEN'NY FARITRA tamin'ny lahateniny fa Dimy izay IRAY I Androy, ary tsy hisy Distrika ho hadino na atao ankilabao.

Porofon'izany ny Fanendrena ny DREN , SY DRED ANDROY izay zanakin'ny Distrika Beloha.
Andao isika hifanome tanana hanondrotra sy hampandroso an'ny BELOHA , sy ny FARITRA ANDROY.

Nohamafisin'ny Lehiben'ny Faritra ireo teboka roa tanjon'ny Repoblika ny FANAVAOZANA:
- Ny vahoaka no masimandindy
- Fampandrosoana tena izy iaraha- manao
Homena sehatra ny tanora,
Andao hifanome tanana mba tsy hanalabaraka an'ny Androy sy ny Filohan'ny Fanavaozana ary hiara-dalana hampandroso an'ny Androy .

Vonona ny Ben'ny Tanana Beloha hiara-hiasa amin'ny Faritra sy ny fitondram-panjakana tarihin'ny Filoha Fanavaozana ny Repoblika.

Hafaliana no nasetrin'ny vahoaka manontolo ny fisokafam-pifandraisana tsy misy elanelana nasehon'ny Lehiben'ny Faritra ho fampandrosoana iaraha-manao.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.