FIVORIAMBEN'IREO GOVERNORAM-PARITRA, MAHAJANGA, 26-27-28 AOGOSITRA 2025
Publié le : 20/09/2025
Ho fanatratrarana ireo vina fampandrosoana ny Firenena miainga avy any anivon'ny Faritra voarakitra ao anatin'ireo andry fototra 3 napetraky ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA no votoatin'ny fihaonamben'ireo Governora natao tany Mahajanga ary nandray anjara feno amin'izany ny Governoran'ny Faritra Androy Andriamatoa MOSA Tatasoa
Teboka maromaro no niompanan'ny lahadinika : fampisaongadinana ny maha samy hafa ny laharam-pahamehan'ny faritra tsirairay,
Fandraisana toromarika sy fifanakalozana traikefa sy fahaiza-manao, fametrahana rindran-damina tamin'ny alalan'ny famolavolana paik'ady iraisana mitodika amin'ny fampandrosoana haingana isam-paritra sy ny Firenena iray manontolo.
Naneho fahavononana hatrany ny tsirairay fa manohana tsy misy fepetra ireo dingan-davan'ny asa fampandrosoana ataon'i Filoha hajaina ANDRY Rajoelina.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.