AMBOVOMBE ANDROY | 29 OKTOBRA 2026
FANAMAFISANA NY FANDRIAMPAHALEMANA SY NY FIAROVANA NY VAHOAKA
Taorian’ny fitsidihana natao tany amin’ny Faritra Anôsy, dia tonga eto Ambovombe Androy ny delegasiona notarihin’Andriamatoa Jeneraly BAMA MARIMA, Minisitra Delege misahana ny Zandarimaria (MDG), sy Andriamatoa Jeneraly MAMELISON Mbina Nonos, Komandin’ny Zandarimariam-pirenena (COMGN), ny 29 Oktobra 2026.
Nandray azy ireo ireo tompon’andraikim-panjakana isan-tsokajiny eto an-toerana, notarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra, nisolo tena an’Andriamatoa Lehiben’ny Faritra Androy, Dr Djiby FIRAVOA, niaraka tamin’ny Ben’ny Tanànan’Ambovombe Androy sy ny solontenan’ny Préfet,...
Nisy ny fihaonana sy fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra sy ny OMC, narahina fitsidihana ny toerana hananganana ny zana-tobin’ny Zandarimaria ao amin’ny Fokontany #SEVOHIPOTY, Kaominina Ambonivohitra Ambovombe Androy.
Tanjona amin’izany ny hanakaikezana kokoa ny vahoaka, hanatsarana ny fandraisana andraikitra ary hanamafisana ny fandriampahalemana maharitra.
Nitohy tao amin’ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria Androy ny fihaonana tamin’ireo zandary miasa eto amin’ny faritra. Nohamafisina nandritra izany ny toromarika momba ny fanatsarana ny asa, ny fanajana ny lalàna sy ny fitsipim-pitondrantena, ary ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.
Anisan’ny nisongadina tamin’ity fitsidihana ity ny fihaonana tamin’ireo tanora dahalo niova fo, izay naneho ny fahavononany hiala amin’ny asa ratsy sy hiara-hiasa amin’ireo mpitandro filaminana amin’ny famerenana ny fandriampahalemana eto amin’ny Faritra Androy sy Anôsy.
Ho fanohanana azy ireo amin’ny fiverenana amin’ny fiainana ara-dalàna, dia nanolotra fanampiana ara-tsakafo avy amin’ny Fitondram-panjakana Fanavaozana ny delegasiona, tamin’ny alalan’ny MDG. Nahitana vary 20 lasaka sy tsaramaso 4 lasaka izany, izay natokana ho an’ireo avy amin’ny Faritra Androy sy Anôsy.
Ity fitsidihana ity dia nifantoka tamin’ny fanamafisana ny asan’ny Zandarimaria, ny fanatsarana ny fiaraha-miasa amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ary ny fampiroboroboana ny fandriampahalemana sy ny fiarovana ny vahoaka manerana ny faritra.
Mankasitraka sy maneho fisaorana hatrany ny Fitondram-panjakana Fanavaozana, tarihin’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely #Michaël_RANDRIANIRINA, noho ireo ezaka sy fanohanana ho fanamafisana ny fandriampahalemana, ny filaminana ary ny fiarovana ny vahoaka.
Miaraka ho amin’ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara, indrindra eto Androy sy Anôsy.