27 Desambra 2025-FAMETRAHANA AMIN'NY FOMBA OFISIALY NY BEN'NY TANANA MAROALOPOTY
Publié le : 30/12/2025
Notanterahina anio ny lanonana fametrahana ny samboady ny Ben'ny Tanana Maroaropoty vaovao
Maire Gasy (LAHA Tovonkery Jean Charrie)
Nitarika izany ny Lehiben'ny Fileovana Ambovombe.
Tonga nanotrona izany ny Lehiben'ny Faritra Androy Dr Raharijaona Djiby Jean Berthinot , ireo mpikambana ao amin'ny OMC ANDROY , n'y Mpanolotsaina n'y Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ireo manamboninahitra sivily sy miaramila,ny Ray amandreny sy Lonake aradrazana ary ny vahoaka ao antoerana sy ny manodidina.
Nandritra n'y lahateny nifandimbiasana no nilazan'ny Ben'ny Tanana vaovao ny fahavononany hitantana ny Kaominina, ho Ray amandrenin'ny rehetra Ary ho tsaraina amin'ny asa vitany.
Nametraka hafatra kosa ny Lehiben'ny Faritra Vaovao Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot ho an'ny Ben'ny tanàna fa ny vahoaka Maroalopoty dia tsy misy aniza na aniza fa iray ka karakarao amin'ny fampandosoana tena izy.Ary ho an'ny vahoaka mba hifanome tanana amin'ny Ben'ny tanàna hisian'ny fampandrosoana .
Miaraka manosika isika miaraka mampandroso fa izay no tanjon'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
