27 martsa 2026-IZAY MAMBOLY HAZO MANOME AINA
Ho FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TAOM-PAMBOLENKAZO 2025-2026 FARITRA ANDROY sy ho fanohizana ny ezaka nataon’ny Filoha Fanavaozana ny Repoblikan’ny Madagasikara kolonely RANDRIANIRINA Michaël amin’ny fambolean-kazo akaiky ny faritra ny Université fony izy Lehiben’ny Faritra ; dia nanatanteraka fambolean-kazo akaiky io toerana io ihiany ireo mpiasam-panjakana ato anatin’ny Faritra Androy.
Nitarika izany ny Lehiben’ny Faritra Androy Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot , ny Lehiben’ny Fileovana Ambovombe, ny Fitaleovam-paritra ny Tontoloiainana sy Fampandrosoana Lovainjafy izay mpikarakara sy ireo mpiasam-panjakana maro sivily sy miaramila.
Zanakazo 5000 no novolena amin’ity fotoana ity raha 10000 no tanjona ary mahatanty toetrandro sy toetany aty Androy.
Tonga maro ny rehetra izay samy nahitana ireo sampandraharaha misy eto androy.
Ho tohizana amin’ny Distrika hafa ankoatra ny Ambovombe izao hetsika izao mba ho « MAINTSO NAHO VELONDRANO TY ANDROY NAHO MARAY
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !