Logo Région Androy
MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATION

REGION ANDROY
Menu Principal

20 Janoary 2026 - FAMETRAHANA VATO FOTOTRA hanaovana-Fambolen-kazo maharitra

24 vues
21/01/2026

Ho fanatanterahana ny politikam-panjakana: " fanamaintsoana an'ny Madagasikara "sy famaliana ny filan'ny Faritra Androy handrakotra tontolo Maintso sy velon-drano i Androy dia ,
napetraka ny vato fototra fanorenana Ilay " Pepinière permanant" na fambolen-kazo maharitra ho an'Androy ao Berary Kaominina Ambovombe Androy.

Izao no tanteraka dia nohon'ny fiaraha-miasa amin'ny TETIK'ASA MIONJO izay vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola , ny Fitaleovam-paritra ny Tontolo iainana sy Fampandrosoana Lovain-jafy Androy ary ny CRS Madagasikara.

Nitarika Izany ny Lehiben'ny Faritra Androy Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot, ny mpandrindram-paritra ny tetik'asa MINJO eto Androy , Ny Talem-paritra Tontolo iainana sy Fampandrosoana Lovain-jafy ary ny avy amin'ny Kaominina Ambovombe sy Fokontany Berary.

Hisy ny fametrahana rano hanondrahana ny zanan-kazo sy ho an'ny vahoaka manodidina eo.

Tanjona ny hamokarana zanan-kazo 150000 isan-taona farafahakeliny hamatsiana an'ny Androy hiadiana amin'ny tiomena sy ny fikaohan'ny tany ary aro rivotra fa indrindra hampitombo ny rotsakorana.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.

Commentaires

Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !

Laissez un commentaire