08 Janoary 2025 - FANOLORANA VARY AVY AMIN'I FILOHA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA NY MADAGASIKARA HO AN'NY MAREFO SY MANANKILEMA ho an'ny Distrika Bekily Bekily Alakamisy
Logo Région Androy
MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATION

REGION ANDROY
Menu Principal

08 Janoary 2025 - FANOLORANA VARY AVY AMIN'I FILOHA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA NY MADAGASIKARA HO AN'NY MAREFO SY MANANKILEMA ho an'ny Distrika Bekily Bekily Alakamisy

Publié le : 09/01/2026

Araka ny fampanantenana nataon'i Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ny Madagasikara, Kolonel Michaël RANDRIANIRINA dia nanatitra vary 200 lasaka ny Lehiben'ny Faritra Androy Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot.
Fotoana ihany koa nitafany voalohany amin'ny mponina ao Bekiiy .

Nankasitra ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repobilikan'ny Madagasikara ny Lehiben'ny Faritra nahatsiaro manokana ny Marefo sy ny Manankilema ka nanome vary azy ireo.

Nanotrona azy tamin'izany ny Solombavam-bahoaka voafidy tao Bekily, ny Lehiben'ny Fileovana Ambovombe, ny Lehiben'ny Distrika ny Bekily Androy, ireo Ben'ny Tanàna notarihin'ny topotoerana ao Bekily ary ireo manamboninahitra maro sivily sy miaramila .

Tsy misy Distrika na Kaominina ho atao ankilabao hoy ny Lehiben'ny Faritra ary porofony izao fahatongavako aty izao. Mbola hoavy hamangy anareo aty matetka aho ary hitety ireo Distrika hafa ato anatin'ny Faritra.

Manoloana ny tsy fandriam-pahalemana dia nanamafy ny Lehiben'ny Faritra Androy fa tsy maintsy ho foana ny tsy fandriam-pahalemana raha mbola izy no Lehiben'ny Faritra.

Hanome sehatra anareo tanora aho amin'ny fampandrosoana an'ny Bekily sy ny Faritra

Nifanaiky izy sy ny vahoakan'ny Bekily fa ho Sambo iray hampandroso an'ny Bekily miaraka amin'ireo tanjona ;
-Fahatoniana ho an'ny vahoaka ; -Fampandrosoana iaraha manao ;
-Ny vahoaka no masimandidy.
DIMY IZAY IRAY I ANDROY

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.