29 Martsa 1947 - 29 Martsa 2026-AKON'NY FANKALAZANA NY FAHATSIAROVANA IREO MAHERY FO NY TANINDRAZANA 1947 TETO FARITRA ANDROY
"𝑭𝑨𝑵𝑨𝑽𝑨𝑶𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑵-𝑻𝑨𝑵𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨"
Natomboka amin'ny FANOMPOAM-PIVAVAHANA IRAISAM-PINOANA FFKM- FANGATAHAM-PITAHIANA HO AN'NY TANINDRAZANA ny fotoana ny 28 Martsa 2026 tao amin'ny Fiangonana Anglikanina teto Ambovombe Androy .
Nanome voninahitra izany ny Lehiben'ny Faritra Androy ,ny Lehiben'ny Fileovana Ambovombe, ireo Talem-paritra isantsokajiny ary manam-boninahitra sivily sy miaramila.
-Ny anio 29 Martsa 2026 fametrahana fehezam-bonikazo teo amin'ny Tsangam-baton'ny Maherifo akaiky toby Zandarimaria Ambovombe.
Nitarika ny fotoana ny Lehiben'ny Fileovana Ambovombe Androy;izay natomboka amin'ny fisafoana ny andiantafika niaraka amin'ny Lehiben'ny Vondrotobim-pileovana Androy.
-Nanome voninahitra ny fotoana ny Lehiben'ny Faritra Androy Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot sy ireo manam-boninahitra sivily sy miaramila ary ireo vahoaka tonga nanatrika.
-Nisongadina nandritra ny lahateny nifandimbiasana ny fitiavan-tanidrazana nasehon'ny Ray aman-drenintsika taty Androy sy ny Malagasy manontolo.
Mila aseho amin'ny asa ny fitiavan-tanindrazana ary andao isika hoy ny Lehiben'ny Faritra hitambatra hiray fo sy saina ho fampandrosoana ny Androy sy haneho izany fitiavan-tanindrazana izany.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !