Tetik'asa hiatrehana ny fiovan'ny toetrandro
Natomboka androany 17 Jolay 2025 teto amin'ny renivohitry ny Faritra Androy ny Tetik'asa hiatrehana ny fiovan'ny toetrandro,
Hanamafisana ny fandriampahalemana ary hisorohana sy hiadiana amin'ny herisetra .
Izany dia haharitra 36 volana izay iarahana amin'ny sampandraharahan'ny firenena mikambana (UNICEF , UNESCO, OIM, PBF) mitentina 3,5 tapitrisa Dolara.
Misitraka izany ny ampahany ato amin'ny Distrika Ambovombe sy Antanimora ho an'ny Faritra Androy Ary Itampolo ho an'ny Distrika Ampanihy Faritra Atsimo Andrefana.
Tonga nanotrona izany:
- Ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy Fampandrosoana Maharitra,
- Ny Minisitry ny Rano Fidiovana sy Fanadiovana,
Ireo mpiaramiombonantoka mamatsy ny Tetik'asa, ireo solontenam-panjaka avy eto amin'ny Faritra sy ny avy any Ampanihy ary ireo rehetra miasa miankina sy tsy miankina ato anaty Faritra .
Tanjona ny fampihenana ny fahasorenana sy hifandirana nohon'ny fihenan'ny harena voa-janahary vokatry ny fiovan'ny toetrandro.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !