Tetik'asa hiatrehana ny fiovan'ny toetrandro
Logo Région Androy
MINISTÈRE DE LA DÉCENTRALISATION ET DE L'AMÉNAGEMENT DU TERRITOIRE

REGION ANDROY
Menu Principal

Tetik'asa hiatrehana ny fiovan'ny toetrandro

Publié le : 17/07/2025

Natomboka androany 17 Jolay 2025 teto amin'ny renivohitry ny Faritra Androy ny Tetik'asa hiatrehana ny fiovan'ny toetrandro,
Hanamafisana ny fandriampahalemana ary hisorohana sy hiadiana amin'ny herisetra .

Izany dia haharitra 36 volana izay iarahana amin'ny sampandraharahan'ny firenena mikambana (UNICEF , UNESCO, OIM, PBF) mitentina 3,5 tapitrisa Dolara.

Misitraka izany ny ampahany ato amin'ny Distrika Ambovombe sy Antanimora ho an'ny Faritra Androy Ary Itampolo ho an'ny Distrika Ampanihy Faritra Atsimo Andrefana.

Tonga nanotrona izany:
- Ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy Fampandrosoana Maharitra,
- Ny Minisitry ny Rano Fidiovana sy Fanadiovana,
Ireo mpiaramiombonantoka mamatsy ny Tetik'asa, ireo solontenam-panjaka avy eto amin'ny Faritra sy ny avy any Ampanihy ary ireo rehetra miasa miankina sy tsy miankina ato anaty Faritra .
Tanjona ny fampihenana ny fahasorenana sy hifandirana nohon'ny fihenan'ny harena voa-janahary vokatry ny fiovan'ny toetrandro.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.