03 Martsa 2026-HETSIKA FIRAISAN-KINA NY MPIASAM-PANJAKANA SY FANANGANAN-TSAINA MIARAKA eto amin'ny Faritra Androy
Publié le : 08/03/2026
Notanterahina ny Alatsinainy maraina, teny amin’ny biraon’ny Faritra eto Ambovombe, ny hetsika firaisan-kina izay ho fanao isaky ny Alatsinainy voalohan'ny volana.
Fananganan-tsaina miaraka no nanombohana izany, narahan'ny diabe antongotra ( la marche d'amitié ) niarahana tamin’ireo mpiasam-panjakana rehetra.
Nitarika izany tamin’ny fomba ofisialy ny 𝐋𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞𝐧'𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐨𝐲 Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot , ny Lehiben'ny Fileovana 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐯𝐨𝐦𝐛𝐞 , Ary ireo Talem-paritra sy olom-panjakana sivily sy miaramila izay tonga maro.
Nanentana ny rehetra amin’ny fanamafisana ny firaisankina, ny fitiavan-tanindrazana ary ny fanoloran-tena amin’ny asa ny Lehiben'ny Faritra.
Hifanome tanana amin'ny Vehivavy ny rehetra hanadio ny tanana amin'izao ankatoky ny fety O8 martsa izao miaraka amin'ny fikambanan'ny Vehivavy 08 Marsa.
Amin'ny Alatsinainy 13 aprily 2026 ny hetsika “La Marche de l’Amitié” manaraka.
Izao no natao ho fifankalalana sy fanavaozana ny fiaraha-mientana ho fampandrosoana iaraha manao ny Faritra Androy.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
