Lanonana famoahana mpampianatra teo anivon'ny CRFRP (Centre Régional de Formation et de Recherche Pédagogique)
Publié le : 30/12/2025
LANONANA FAMOAHANA MPAMPIANATRA MIISA 150 "ANDIANY VASIAGNE" teo anivon'ny CRFRP [Centre Régional de Formation et de Recherche Pédagogique] teto Ambovombe Androy.
Namoaka mpianatra ho mpampianatra miisa 150 ny teo anivon'ny CRFRP eto Ambovombe Androy izay itambarana amin'ny faritra rahavavy Anosy. Mpampianatra nahavita fiofanana nandritra ny 2 taona izy ireo, vonona ary afaka miatrika asa avy hatrany manatevin-daharana ireo efa amperin'asa sy eny ankianja.
Kitro ifaharan'ny fampandrosoana sy antony fandrosoana izao ary ao anatin'ireo teboka goavana ifantohan'izao fitondram-panjakana mijoro tarihin'ny Filoham-panjakana Kolonely RANDRIANIRINA Mickaël ny fanomezan-danja sy tosika ny tontolon'ny fanabezana. Heverina fa hitondra ainga vao sy herijika eo amin'ny ambainday ny fanabezanam-pirenena eto Androy izao dingana izao izay isaorana manokana ny fitondram-panjakana tamin'ny alalan'ny Minisiteran'ny fanabezanam-pirenena izay nahitana an-dRamatoa Tale Jeneraly MANOLOZATO Clémentine, nisolotena and-Ramatoa Minisitra.
Tonga niatrika sy nanome voninahitra izao lanonana izao ny lehiben'ny faritra ANDROY Dr. RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot izay mahafatantra tsara ny maha zava-dehibe ny tontolon'ny fanabezana amin'ny maha mpampianatra azy. Nitso-drano azy ireo amin'ny maha Ray aman-dreny ary nanafatra mafy ireo zandry zanaka mba hikajy, hahay hitondra tena satria asa masina ny asa fanabeazana.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
