Logo Région Androy
MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATION

REGION ANDROY
Menu Principal

13 Aprily 2026-Diabe firaisankina'ny mpiasam-panjakana isam-bolana

1 vues
16/05/2026

Toy ny fatao isam-bolana dia nanatanteraka fananganan-tsaina itambarana sy diabe (la marche de solidarité) miaraka ireo mpiasam-panjakana eto amin'ny renivohi-paritra ny Androy.
Nitarika izany ny Lehiben'ny Faritra Androy Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot dit Djiby FIRAVOA.

Nanafatra izy nandritra ny lahateniny ny hanajana ny fotodrafitrasa lalàna tara (goudron) amin'ireo sarety vy manapaka ny lalàna ; torak'izany ihany koa ny bajajy mba tsy hanao taingimbe fa hanara-dalana ary tsy tokony mandeha mafy ny ato anaty Tanàna.
Nohamafisiny mafy ihany koa ny assainissement eto an-tanàna, ny fanarahana ny lalàna amin'ny fanorenana trano, indrindra ny manamorona ny lalam-pirenena.

Manantena ny tsirairay hanara-dalàna sy hanaraka ny lamina apetraka.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.

Commentaires

Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !

Laissez un commentaire