20 MAI 2026 - VARY 50 TAONINA AVY AMIN'NY FILOHAN'NY FANAVAOZANA AMBOVOMBE
Tonga eto Ambovombe Androy androany ireo vary fanampiana avy amin’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely Michael RANDRIANIRINA ho an'ny Marefo .
Izany vary 50 taonina izany dia voatokana ho an’ny Marefo , beantitra ary kilemaina ato anatin'ny Faritra Androy.
Tonga nandray izany tao amin’ny Efitrano malalaky ny CERCLE MESSE GENDARMERIE NATIONALE eto Ambovombe Androy :
▪️ Ny Lehiben'ny Faritra Androy Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot
▪️ Ireo ao anatin'ny OMC ANDROY
▪️ NY solontena avy amin’ny Ben'ny Tanàna Ambovombe Androy.
Harindran'ny Lehiben'ny Faritra sy ireo OMC na ny eo anivon'ny Distrika ihiany koa ny ho fitsinjarana izany mba hisitrahan'ireo tena voakasika izany.
Mankasitraka indrindra an’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan'ny Madagasikara sy ny Fitondram-panjakana mijoro amin’izao fotoana izao tamin’izao hetsika fanohanana izao.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !