Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu

TETIKASA MIANATRA : FANOMBANANA NY VOKATRA SY FANAMAFISANA NY FIARAHA-MIASA

4 vues
07/10/2026

AMBOVOMBE ANDROY | 07 OKTOBRA 2026

Tonga eto amin’ny Faritra Androy ny delegasiona manokana avy any Washington, ao anatin’ny fitsidihana sy fanombanana ny vokatra ary ny fiantraikan’ny Tetikasa MIANATRA I, izay vatsian’ny Governemanta Amerikana amin’ny alalan’ny USDA.

Efa dimy taona no nanatanterahana ity tetikasa ity, ka sekoly 159 ao amin’ny Distrikan’Ambovombe, Tsihombe ary Beloha no voakasik’izany. Mifantoka amin’ny fanabeazana, cantine scolaire, fahasalamana, fanjarian-tsakafo, WASH, fambolena sy famokarana, ary ny fanetsiketsehana ny fiarahamonina ny asa tanterahina.

Nisy ny fitsidihana eny ifotony, ary ny fihaonana ara-pomba-fanajana tao amin’ny Biraon’ny Faritra Androy, izay nandraisan’ny Lehiben’ny Faritra, Dr Djiby FIRAVOA, ny delegasiona avy any Washington, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.
Nifantoka tamin’ny vokatra azo, ny fiantraikan’ny tetikasa ary ny mety ho tohin’ny fiaraha-miasa ny dinika.

Notsindrian’ny Dr Djiby FIRAVOA manokana ny maha-laharam-pahamehana ny famahana ny olan’ny rano eto Androy, satria mifamatotra amin’ny fahasalamana, fanjarian-tsakafo, fanabeazana ary ny fampandrosoana izany.

Dingana lehibe ho amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fitohizan’ireo tombontsoa ho an’ny mponina, indrindra ireo ankizy sy ny fiarahamonina eny ifotony, izao fitsidihana izao.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.

Commentaires

Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !

Laissez un commentaire