TETIK’ASA MIONJO-MISSION SUPERVISION TAO SIHANAMARO
Logo Région Androy
MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATION

REGION ANDROY
Menu Principal

TETIK’ASA MIONJO-MISSION SUPERVISION TAO SIHANAMARO

Publié le : 15/03/2026

Anatin’ny Kaominina nidinana ifotony ny KAOMININA SIHANAMARO mandritra ny Mission de supervision ny Tetik’asa Mionjo izay vatsia’ny Banky iraisam-pirenena vola.

Nandray ny ekipa avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena ny sy tetik’asa MIONJO ary ny avy amin’ny Minisitera isan-tsokajiny (MID, ny Vola, ny Fananantany,ny Fambolena sy Fiompiana) ny Ben’ny Tanana Kaominina Sihananmaro ary ireo mpikambana ao anatin’ny SLC ( Rafitra Fikaonandoha Ifotony).

Nandritra ny tafatafa no nisaoran’ny Ben’ny Tanana ny Tetik’asa Mionjo izay tena nampivoatra ara-panavaozana an’ny SIHANAMARO;

Nanomboka amin’ny fankankevitra ny SLC, ny fiofanana azon’ny mpiasan’ny Kaominina (Ben’ny Tanana, ADL,TC) fa indrindra ny fampitaovana sy fanamboarana fotodrafitr’asa.
Birao’ny Kaominina, CEG, LYCEE fanamboarana azon’ny Kaominina tamin’ny Tetik’asa MIONJO.

Miteraka fahazotoana handray andraikitra sy hampandroso ny Kaominina ny fampitaovana azon’ny Kaominina amin’ny Mionjo.

Ho an’ny mpianatra kosa mitombo isa ny mamonjy sekoly raha nianatra amin’ny toerana ambany teo aloha dia anaty tranovato sy misy dabilio ankehitriny.

Manohy ny asany hatrany ny rafim-pitantanana sy mpanaramaso ny fotodrafitr’asa niarahana amin’ny MIONJO;

Nahafahan’ny tetik’asa hafa nampandroso an’ny SIHANAMARO koa ny zava-bita tetik’asa MIONJO.
Nangataka hatrany ny Ben’ny Tanana ny hitohizan’ny tetik’asa MIONJO ao SIHANAMARO hamitana ireo laharam-pahamehana folo ao amin’ny PDLII.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.