CAPITALISATION DE LA PREMIERE PHASE DU PROJET MIONJO
Logo Région Androy
MINISTÈRE DE LA DÉCENTRALISATION ET DE L'AMÉNAGEMENT DU TERRITOIRE

REGION ANDROY
Menu Principal

CAPITALISATION DE LA PREMIERE PHASE DU PROJET MIONJO

Publié le : 06/08/2025

FANOMBANANA NY ANDIANY VOALOHANY NY TETIK’ASA MIONJO
tato amin’ny Faritra Androy
Atrikasam-paritra, Ambovombe Androy 06 Aogositra 2025

Notanterahina teto amin’ny renivohitry Faritra Androy ny atrikasa fanombana ny asa notanterahin’ny TETIKASA MIONJO andiany voalohany novatsian’ny Banky Iraisampirenena vola eo ambany fiahian’ny Minisitera ny Fitsinjarampahefana sy ny Fanajariana ny tany.

Nandray anjara tamin’izany ny teo anivon’ny Goverinora Faritra Androy zay nosoloan’ny DID tena, ireo AGEX( Agences d’Exécution) , Chefs Districts , ireo Talem-paritra mifandraika amin’ny lahanasa ataon’ny TETIKASA , ny PR , ny agent CROC ary ny avy amin’ny MIONJO aty antoerana sy ny Antananarivo.

Tamin’ny alalan’ny asambondrona no nifampizarana ny zavatra tsara niteraka vokatsoa sy fivoarana nateraka ny fisian’ny TETIKASA MIONJO; Ireo olana nandritra ny fanatanterahana ny asa ary ireo fanatsarana ny fomba fiasa ho fiatrehana ny andiany faharoa ny TETIKASA izay nahazoana tetibola fanampiny hatramin’ny volana JIONA 2028.

Mankasitraka ny fiaraha-mientana ireo mpiara-miombonantoka amin’ny TETIKASA MIONJO, ireo solotenam-panjakana isan’ambaratonga aty ifotony sy isamparitra nifanome tanana hatrany fa indrindra ny fitondram-panjakana tarihin’i Filoha ANDRY Nirina Rajoelina nampisy ny MIONJO.

Ho tanteraka tokoa ny FINIAVAGNE HIONJOGNE NAHO HIVOATSE ary HO MAINTSO NAHO VELONDRANO TY ANDROY

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.