29 Desambra 2025 -Fananganan-tsaina voalohany notarihin'Atoa Lehiben'ny faritra ANDROY Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot
Publié le : 30/12/2025
Betsaka ireo toromarika napetrany nandritra ny lahateny nataony ny fanentanana ny mpiasa rehetra hanao ny asany amin'ny tokony ho izy, ankitsipo sy mendrika ho fanomezana tolotra ny vahoaka ary hamahana miaraka ny olana ara-sosialy.
Isika hoy izy no tokony ho modely eto anivon'ny Faritra ka andao isika hiaraka hihazakazaka sy hiray hina ho fampandrosoana ny Androy sy ny fanatanterahana ny toromarika sy tanjona natetraky ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika.
Nisaorana manokana ny Filoham-panjakana Ny kolonely RANDRIANIRINA Mickaël nametraka ny fitokisana taminy ary tokony ho vonona isika miaraka mba tsy handraraka antany izany adidy napetraka izany.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
