LANONANA FAMOAHANA ireo APPSA 60 ato amin’ny Distrikan’i Ambovombe sy Amboasary Atsimo Ambovombe 01 Aogositra 2025
Logo Région Androy
MINISTÈRE DE LA DÉCENTRALISATION ET DE L'AMÉNAGEMENT DU TERRITOIRE

REGION ANDROY
Menu Principal

LANONANA FAMOAHANA ireo APPSA 60 ato amin’ny Distrikan’i Ambovombe sy Amboasary Atsimo Ambovombe 01 Aogositra 2025

Publié le : 01/08/2025

Nozarana CERTIFICAT SY FITAOVANA ENTIMIASA Ary bisikileta ireo APPSA( 𝗔𝗴𝗲𝗻𝘁𝘀 𝗱𝗲 𝗣𝗿𝗼𝘅𝗶𝗺𝗶𝘁é 𝗲𝗻 𝗣𝗿𝗼𝗱𝘂𝗰𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗲𝘁 𝗦𝗮𝗻𝘁é 𝗔𝗻𝗶𝗺𝗮𝗹𝗲𝘀 (𝗔𝗣𝗣𝗦𝗔), 𝗺𝗶𝗶𝘀𝗮 𝟲𝟬 𝗮𝘃𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗔𝗺𝗯𝗼𝘃𝗼𝗺𝗯𝗲 𝘀𝘆 𝗔𝗺𝗯𝗼𝗮𝘀𝗮𝗿𝘆 (30 avy Anosy: 25 lahy sy 5 vavy, ary 30 avy Androy: 27 lahy sy 3 vavy).

Nanome voninahitra ny lanonana:
Andriamatoa Mosa TATASOA, Governoran’ny Faritra Androy
Ny Sekretera Jeneraly , misolo tena ny Governoran’ny Faritra Anôsy, Ramatoa Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA,
Ireo Ben’ny Tanàna (Distrika Ambovombe sy Amboasary),
Ireo Tale-paritry ny Fambolena sy Fiompiana Anôsy sy Androy,
Ireo Mpandrindram-paritry ny tetikasa MIONJO Anôsy sy Androy ary ireo Veternera.

Mba hiatrehana ny fanamby dia nametraka ireo APPSA (Agents de Proximité en
Production et Santé Animales) na MPANAMPY IFOTONY AMIN'NY FAMOKARANA SY
FAHASALAMAN'NY BIBY ny Fitondram-panjakana Malagasy, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny
Fambolena sy Fiompiana (MINAE) – Direction des Services Vétérinaires miaraka amin’ireo mpitsabo biby, ny kaominina ary ireo mpamatsy vola sy mpanohana ara-teknika. Tamin’ny alalan’ny tetikasa Mionjo, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola, eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany,.dia nisitraka APPSA miisa 60 ny distrika , Ambovombe ary Amboasary Atsimo.

Ireo APPSA ireo dia solontenam-piarahamonina nofanina manokana ho mpanome tolotra akaiky sy
maharitra nyMiara-miasa sy eo ambany fanaraha-mason’ireo Vétérinaire sanitaire (VS).

Tafiditra ao anatin’ny Tetikasa Mionjo ny fametrahana ireo APPSA ireo ary mifameno amin’ireo fanomezana izay efa natao taty Atsimo.
Mianga aty Atsimo ny Fampandrosoana ny Madagasikara ary ny Tetik'asa MIONJO no mandray anjara Lehibe amin'izany hoy ny Goverinora ny Faritra Androy nandritra ny lahateniny tamin'ny LANONANA io.
Mankasitraka ny Fitondram-panjakana, ny Minisitera Fambolena sy Fiompiana Ary n'y TETIKASA MIONJO.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.