FAMETRAHANA SAKANA ARA-PAHASALAMANA ETO ANDROY HISOROHANA NY NENDRAN-DRAJAKO
Logo Région Androy
MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATION

REGION ANDROY
Menu Principal

FAMETRAHANA SAKANA ARA-PAHASALAMANA ETO ANDROY HISOROHANA NY NENDRAN-DRAJAKO

Publié le : 01/01/2026

Ho tohin'ny fandraisana andraikitra ny OMC élargie iarahana amin'ny Fitaleovam-paritra Fahasalamam-bahoaka Androy dia napetraka anio 01 Janoary 2026 eto Ambovombe avy Andrefana fidirana ny tanàna ( sampanana Pilaky Y) ny SAKANA ARA-PAHASALAMANA ireo mpandeha avy Atsimo na Avaratra.

Ahitana io SAKANA io koa ny ao Manankoliva, Tsihombe ary Antranoroa.

Tanjona amin'izao ny fisorohana ny fidiran'ny tsimokaretina NENDRAN-DRAJAKO sy ny fanaraha-maso ireo mpandeha miditra ho fitsimbinana ny fahasalaman'ny vahoaka ato Androy .

Nanentana ny mponina ny Lehiben'ny Faritra Androy Dr. RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot ny mba hanarahan'ny tsirairay ireo toromarika avy amin'ny mpiasa ny fahasalamana. Izany no natao dia noho ny fitsinjovana ny fahasalamambahoaka.
Sanatria misy ahitana izany soritr'aretina izany dia tokony hanaiky ny lamina apetraka isika. Ho an'izay manana ahiahy kosa dia aza misalasala ny manantona mivantana ny tobi-pahasalamana akaiky anao indrindra mba tsy hampitatra ny soritr'aretina.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.