26 Marsa 2026-FAMPIOFANANA IREO TANORA MOMBA NY FISORATANA ANARANA BIOMETRIKA (ENROULEMENT BIOMETRIQUE) ATO ANDROY
Ho fanatanterahana ny politikam-panjakana ny Fanavaozana ny Reboblikan’ny Madagasikara tarihin’i Kolonely RANDRIANIRINA Michaël dia hapetraka eto amin’ny tany Malagasy ny FANAVAOZANA NiMERIKA izay mianga amin’ny fisoratana anarana BIOMETRIKA.
Isaorana manokana arak’izany ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika nanana finiavana sy eritreritra hanatanteraka izany.
Zavatra mbola tsy nisy teto amin’ny firenena Malagasy fa ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika Madagasika no voalohany hitondra azy eto amin’ny nosintsika.
Ireto tanora sy tompon’andraikitra no hanatanteraka ny fanamafisam-pahaizana sy fiofanana hiatrehana izany enroulement biometrique izany. Izay hiparitaka any amin’ny Distrika sy Kaominina ato Androy.
Tanjona ny fahazoan’ny rehetra misitraka ny famantarana ara-dalana amin’ny alalan’ny firaketanany fahaterahana izay ilaina ny fanatsarana ny fitantanana sy ny famantarana ny olo-pirenena ”IZAHO TOKANA”
Nanokatra ny fampiofanana amin’ny fomba ofisialy ny Lehiben’ny Faritra Androy Dr RAHARIJAONINA Djiby Jean Berthinot sy ny Lehiben’ny Fileovana Ambovombe ary notronin’ny ekipa rehetra avy any Antananarivo ary ireo mpampiofana rehetra avy amin’ny Distrika.
Ireto tanora mpiofana ireto no hikirakira ireo fitaovana izany ka mampirisika ny fanjakana mba hananan’nireo farany fahamatorana handray ireo olona ary hahay handray lesona hampahomby ny asa hankinina ami’izy ireto.
Haharitra sivy andro ny fiofanana ka mirary soa anareo hiofana.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !