05 Janoary 2025 - FIDINANA IFOTONY HO FANARAHAMASO NY FIB NATAON'NY OMC ANDROY
Logo Région Androy
MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATION

REGION ANDROY
Menu Principal

05 Janoary 2025 - FIDINANA IFOTONY HO FANARAHAMASO NY FIB NATAON'NY OMC ANDROY

Publié le : 06/01/2026

Nidina teny antsenan'omby Berary Ambovombe ny ekipa ny OMC ANDROY, nijery ary nanara-maso ny asan'ireo délégué sy ny mpiara-miasa aminy mahakasika ny fampiasana ny FIB( Fiche Individuelle de Bovin) sy ny lamina eo amin'ny mpivarotra sy ny mpividy.

Hentitra ny toromarika avy amin'ny Lehiben'ny Faritra Androy hisorohana ny fivezivezen'ny fampivarotana omby halatra, indrindra ny hanamarinana ny taratsasy alohan'ny fifampivarotana isaky ny Kaominina tsirairay.

Tsy hasiana indrafo raha misy tranga famotsian'omby halatra tratra eny an-tsena ary hampiharina ny lalàna mifandraika amin'izany.

Hatao ho fomba fiasa vaovao izao fidinana tampoka eny an-tsena izao ary hisy ny eny anivon'ny Distrika sy Kaominina hafa hisian'ny fanarahan-dalana sy fifampitokisana eo amin'ny vahoaka sy mpitondra.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.