Logo Région Androy
MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATION

REGION ANDROY
Menu Principal

Soanala 07 Aprily 2026-Diabe hoan'ny fandriampahalemana Androy Anosy

1 vues
16/05/2026

Natomboka tao SOANALA Distrika Betroka ny fifampiresahana sy ny fifandresendahatra ary fanentanana ny hiverenanan'ireo tanora sy raim-pianakaviana dahalo.

Tapa-kevitra izy ireo fa hiova fo sy hiverina eo anivon'ny fiarahamonina.
Nitange niaraka amin'ny Lehiben'ny Faritra Androy ireo dahalo niova fo fa tsy hanao intsony ary hiverina amin'ny fiaraha monina.

-Ny solontenam-panjakana nitarika ny Delegasiona ny Lehiben'ny Faritra Androy Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot, dit Djiby FIRAVOA notronin'ny Solombavam-bahoaka voafidy tao Betroka;
Ny Lefitry Faharoa ny Komandin'ny Zandarimariam-pirenena, Ny Tale Jeneraly ny Fitantanana ny Lafitany, ny Komandin'ny Faripiadidian'ny Zandarimaria Toliara, Ny Lehiben'ny Fileovana Androy sy Anosy, Komandin'ny vondrotobim-pileovana Androy sy Anosy ,ny Mpanolotsaina Filohan'ny FANAVAOZANA ny Repoblika, ireo manam-boninahitra avy amin'ny zandarimaria Androy sy Anosy, ireo Talem-paritra ary ireo Ben'ny Tanàna manodidina.

Ho jeren'ny Fanjakana manokana ny tsy hanilihana azy ireo eo anivon'ny fiaraha monina tsisy tahotra mba hahafahany mamboly sy miverina amin'ny vady amanjanany hiala amin'ny asa ratsy.
Hiara-miasa amin'ny mpitandro filaminana koa izy ireo ho fanafoanana ny asan-dahalo.
Isaorana ny Filohan'ny FANAVAOZANA ny Repoblikan'ny Madagasikara Kolonely RANDRIANIRINA Michaël nanome toromarika hanatanterahana izao famerenana azy ireo izao sy hananan'ny vahoaka Filaminana.
Hitohy ao IMANOMBO Distrika Antanimora ny diaben'ny Fandriam-pahalemana

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.

Commentaires

Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !

Laissez un commentaire