08 Desambra 2025- Atrik'asa Serasera ho amin'ny fiovam-pihetsika sy fiovam-piarahamonina (SBC) mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana
Publié le : 09/12/2025
Notanterahina anio ny atrik'asa Serasera ho amin'ny fiovam-pihetsika sy fiovam-piarahamonina (SBC) mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana iarahana amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana sy Tetik'asa WISH2, izay iarahana amin'ny Fitaleovamparitry ny Fahasalamana , ny Tanora Androy sy Anosy.
Nandray anjara amin'izany ny Talemparitry ny Fahasalamana Androy , Ny Talemparitry Tanora Androy, ny Ben'ny Tanana sy sefo fokontany voakasiky ny Tetik'asa Ary ireo APART ( Toteny, olobe ara-piangonana sy aradrazana) ho fampandraisana anjara ny ifotony manoloana ny zo sy fahasalamana arapananahana ny vehivavy sy tovovavy.
Tanjona mandritra ity ny fampiroboroboana ny fahasalamana ara-pananahana ny vehivavy sy ny tovovavy amin'ny alalan'ny fantson-tserasera marolafy ho amin'ny fiovam-pihetsika sy fiovam-piarahamonina (SBC).
Nanokatra izany amin'ny fomba ofisialy ny Chef de l'exécutif Régional par Intérim Androy RASOLONDRAIBE Germain izay notronin'ny avy Ekipa Fahasalamana avy amin'ny Minisitera, ny SG Fileovana Ambovombe ary n'y teknisianina Fahasalamana aty Androy sy Anosy.
Mbola 30% ny tahan'ny Fandrindram-pianakaviana eto Androy Raha 60% no tanjona. Ny fandraisana andraikitra amin'ny sehatra marolafy, ny tanora, ny sehatra rehetra ahitana ray amandreny aradrazana sy arapiangonana ary arampanjakana no hampandroso fahasalamana ara-pananahana sy Fandrindram-pianakaviana satria adidin'ny rehetra fa tsy dokotera na ny mpitsabo fotsiny.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
