07 Janoary 2025 - FAMAHANA NY OLAN'NY TSY FANDRIAM-PAHALEMANA MIARAKA AMIN'NY LEHIBEN'NY FARITRA ANDROY TAO BERAKETA
Logo Région Androy
MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATION

REGION ANDROY
Menu Principal

07 Janoary 2025 - FAMAHANA NY OLAN'NY TSY FANDRIAM-PAHALEMANA MIARAKA AMIN'NY LEHIBEN'NY FARITRA ANDROY TAO BERAKETA

Publié le : 08/01/2026

Hampisy ny fahatoniana eo amin'ny vahoaka sy fifampitokisana eo amin'ny vahoaka sy ny mpitondra dia nidina ifotony aty amin'ny Kaominina Beraketa ny Lehiben'ny Faritra Androy tao aorian'ny fanafihan-dahalo sy von'olona taty an-toerana.

Vahaolana avy hatrany no naroso ka natomboka ny OPÉRATION TSY MIKOSO MASO " .

Nitarika Izany ny Lehiben'ny Faritra Androy Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot.

,Niaradia aminy tamin'izany ny Solombavam-bahoaka voafidy tao Bekily,
ny Lehiben'ny Fileovana Ambovombe , ny Lehiben'ny Disitrika Bekily Androy, ny Talem-paritra ny Filaminam-bahoatra ary natrehin'ireo Ben'ny Tanana Beraketa sy ireo Maire manodidina ( Anivorano Mitsinjo Vohimanga, Sarisambo. )

Ny Lehiben'ny Vondrotobim-pileovana Androy Colonel Roland Zakatiana moa no mitarika ny ekipa hanatanteraka izany asa izany ary miara miasa amin'ny Vondrotobim-paritra Bekily.

Ilay filamatra ho an'ny miaramila, HIARO NY VAHOAKA SY NY FANANANY no nanentanan'ny Lehibe'ny Faritra nankahery ireo mpitandro filaminana.

Misaotra ny Fitondram-panjaka tarihin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Kolonely Michaël RANDRIANIRINA angady nananana sy vy nahitana izao hetsika izao.

Tsy misy Distrika na Kaominina ho hadino na atao ankilabao satria dimy izay iray i Androy.

Tsy hisy fampandrosoana vanona raha tsy mandry fahalemana ny vahoaka.
Koa manentana ny vahoaka hiara-mientana amin'ny famongorana ny asan-dahalo ; mianga amin'ny sefo fokontany, ny Ben'ny Tanana fa indrindra isika vahoaka tsy hiara- mitsikombakomba amin'ny ratsy fa hampiharina ny lalàna ary tsy hisy indrafo.

Fanombohana io hetsika OPERATION io fa tsy ho farany.Mbola hitohy amin'ny Kaominina sy Distrika hafa.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.