FARITRA ANDROY | VEDETTE RENDRIKA HITA TAO LAVANONO, DISTRIKAN'I BELOHA ANDROY
Nisy vedette rendrika hita tao amin'ny fari-dranomasina Lavanono, Distrikan'i Beloha, Faritra Androy. Mbola hita mazava eo amin'ilay sambo ny laharan'ny fisoratana anarana (numéro d'immatriculation), izay mety hanampy amin'ny fanadihadiana ataon'ny tompon'andraikitra.
Vokatry ny fiaraha-miasa akaiky teo amin'ny Fokonolona mpanjono sy ny Zandarimaria, dia voasintona nankeny amoron-dranomasina ilay vedette mba hahafahana manao ny fizahana ara-teknika sy ny fanadihadiana ilaina.
Araka ny fanamarinana natao teny an-toerana, dia efa simba tanteraka ny coque, ary nahitana moteur hors-bord roa (02) niaraka tamin'ilay vedette.
Mitohy ny fanadihadiana ataon'ny Zandarimaria sy ireo tompon'andraikitra voakasika mba hamantarana ny niavian'ity vedette ity, ny antony nahatonga azy rendrika, ary ny tompony raha mbola azo fantarina.
Manentana ny rehetra ny Tompon'andraikim-panjakana misy ato amin'ny Faritra Androy izay tarihin'Andriamatoa Lehiben'ny Faritra Dr Djiby FIRAVOA mba hampita vaovao mahasoa raha misy olona manana fanazavana momba ity vedette ity, mba hanamorana ny fikarohana sy ny fanadihadiana.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !