FARITRA ANDROY | ASA FAMPANDROSOANA MIAINGA ENY IFOTONY
Kaominina Nikoly, Distrikan’i Tsihombe
16 Oktobra 2026
Mitohy hatrany ny asa fanarenana ny lalana mampitohy ireo Kaominina Ambanivohitra, ireo Fokontany Manodidina ary ny Disitrika ato anatin'ny Faritra Androy.
Anisan'izany ny Lalana mampifandray ny Kaominina Nikoly sy Tsihombe, ao anatin’ny ezaka fanatsarana ny fotodrafitrasa sy fanamorana ny fivezivezen’ny mponina ao amin’ny Faritra Androy.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa entin’ny Fitondram-panjakana Fanavaozana, tarihin’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely Michaël RANDRIANIRINA, ny fanarenana ity lalam-pifandraisana ity, izay manana anjara toerana lehibe amin’ny fivezivezen’ny olona sy ny fitaterana ireo vokatra avy eny amin’ny toerana famokarana mankany amin’ny tsena.
Tanterahin’ny Fiadidiana ny Faritra Androy, tarihin’Andriamatoa Lehiben’ny Faritra, Dr Djiby FIRAVOA, ny asa, ka tanjona ny hanatsarana ny fahafahan’ny mponina mivezivezy sy hampiroborobo ny fifanakalozana ara-toekarena eo amin’ireo kaominina sy toerana voakasika.
Anisan’ny vokatra andrasana amin’izao fanarenana izao ny:
• fanamorana ny fivezivezen’ny mponina sy ny fitaterana;
• fanatsarana ny fitaterana ny vokatra sy ny entana;
• fanamafisana ny fifandraisana ara-tsosialy sy ara-toekarena eo amin’ireo kaominina;
• fanohanana ny asa fiveloman’ny mponina;
• ary fanomezana tosika ny fampandrosoana ara-toekarena eny ifotony.
Tanjona lehibe ny hahazoana lalana tsara kalitao sy azo ampiasaina maharitra, mba hanamorana ny fivezivezena, hampihenana ny sakana amin’ny fitaterana ny vokatra mankany an-tsena ary hanohanana ny fampandrosoana ara-toekarena eny ifotony.
🇲🇬 Isaorana ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely Michaël RANDRIANIRINA, noho ireo ezaka sy fanohanana mitohy ho an’ny Faritra Androy sy ny fampandrosoana miainga eny ifotony.
Fampandrosoana miainga eny ifotony, ho tombontsoan’ny mponina.
FARITRA ANDROY : DIMY IZAY IRAY
Miroso hatrany amin’ny fanovana sy fanavaozana ho amin’ny fampandrosoana maharitra.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !