Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu

FARITRA ANDROY | NIVERINA MANDEHA NY TVM CANAL UHF ETO AMBOVOMBE ANDROY

80 vues
27/08/2026

Vaovao mahafaly ho an'ny mponina eto Ambovombe Androy. Taorian'ny fahatapahana naharitra volana maromaro, dia niverina mandeha indray ny TVM Canal UHF, ka afaka misitraka ny fandaharana mivantana amin'ny alalan'ny fahitalavitra sy antenne UHF tsotra ny isan-tokantrano.

Araka ny fanazavana azo, dia vokatry ny ezaka nataon'ny tompon'andraikitra sy ny fiaraha-miasa akaiky no nahafahana namaha ny olana. Nahazo antenne vaovao efatra (04) ny foibe, ary vita ihany koa ny fanamboarana (réparation) ny émetteur TV, ka tafaverina amin'ny laoniny ny fampielezam-peo sy fahitalavitra eto an-toerana.

Amin'izany dia atolotra ny fankasitrahana ny Fitondrana Fanavaozana, tarihin'Andriamatoa Filohan'ny Fanavaozana Repoblikan'i Madagasika Kolonely RANDRIANIRINA Michaël, noho ny fanohanana sy ny fijerena akaiky ny raharaha.

Isaorana manokana ihany koa ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Serasera, izay nandefa teknisiana teto Androy mba hamaha ny olana ara-teknika, ary ankasitrahana ny fiaraha-miasa akaiky tamin'ny D.I.T, izay nandray anjara tamin'ny fanatanterahana ny asa.
Marihina fa ny lalao Manasa-dalana (1/2 Finale) amin'ny Coupe du Monde 2026 no santatra amin'ny fampiasana indray ny TVM Canal UHF anio.

Ho an'ireo tsy manana fahitalavitra any an-trano kosa, dia mbola misy Écran Géant napetraka eo amin'ny DRCC Androy, eo Andalambalo, ary eny amin'ireo kartie samihafa, ahafahan'ny rehetra miara-manaraka sy mankafy ny lalao ao anatin'ny Fan Zone Coupe du Monde 2026.

Mankasitraka sy misaotra antsika rehetra tamin'ny fiaraha-mientana. Mirary fijerena lalao finaritra ho an'ny rehetra!

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.

Commentaires

Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !

Laissez un commentaire