FAMINDRAM-PITANTANAN-DRAHARAHA TEO AMIN’NY GOVERNORA PISOLOTOERANA SY DAGR
Publié le : 10/11/2025
Tontosa androany 09 Novambra 2025 ny famindram-pitantanana teo amin’ Andriamatoa MOSA TATASOA, Governora mpisolotoerana sy Atoa RASOLONDRAIBE Germain , DAGR, ho fampandehanan-draharahan’ny Faritra Androy. izay hiandraikitra ny Chef d''Execution Regionale par Intérim.
Izany dia ho fanantaterahana ny tapaky ny Filankevitry ny Ministra ny Alarobia 29 Oktobra 2025, izay manafoana ny fanendrena ireo Governoram-paritra 23 manerana an’i Madagasikara sy ny Naoty navoakan’ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana laharana faha 233-MID/25 ny 31 Oktobra 2025.
Isaorana ny Goverinora par Intérim teo aloha tamin'ny asa vitany sy ny fitantanany ny Faritra Androy izay tamimpitiavana sy firahalahina.
Mirary soa ny Chef de l'exécution Regionale par intérim hahavita soa amantsara ny adidy aman'andraikitra sahaniny.
Nambaran'ny CER par intérim RASOLONDRAIBE Germain nandritra ny lahateny nataony fa hanohy ny asa fampandrosoana izy ary hanatanteraka ny voalazan'io Noty navoakan'ny Minisitera io.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.