01 Martsa 2026-NY VEHIVAVY MALAGASY, HERY IRAY HO AN'NY FANAVAOZANA NY FIRENENA
Logo Région Androy
MINISTERE DE L'INTERIEUR ET DE LA DECENTRALISATION

REGION ANDROY
Menu Principal

01 Martsa 2026-NY VEHIVAVY MALAGASY, HERY IRAY HO AN'NY FANAVAOZANA NY FIRENENA

Publié le : 01/03/2026

Nosokafana amin'ny fomba ofisialy androany 1 Martsa 2026 ny herinandrom-pankalazana ny 8 Martsa 2026 teto amin'ny Faritra Androy.

Vavaka firaisam-pinoana no nanombohana izany natao tao amin'ny ECAR Ambovombe izay notarihin'ny FFKM sy notronin'ny solontenam-panjakana maro teto anivon'ny Faritra izany fiaraha mivavaka izany izay nahitana ny Lehiben'ny Faritra Androy Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot mivady, ny Lehiben'ny Fileovana mivady, ny Ben'ny Tanàna ny Kaominina Ambonivohitry ny Ambovombe mivady, ireo Talem-paritra sy olomanankaja Sivily sy Miaramila rehetra fa indrindra ny Filohan'ny Fikambanana 08 Marsa Androy.

Vory lanona ireo vehivavy sy renim-pianakaviana niara-niombombavaka.
Vehivavy mandray andraikitra sy manohana ny lehilahy sy matahotra an'Andriamanitra amin'ny rehetra no herim-panavaozana ny Firenena.

Handray anjara sy hanohana amin'ireo hetsika fankalazana manditra ny herin'andro ny Faritra ka ho eo ankilan'ny vehivavy 08 Marsa eny fona hifanohana.

Mirary fety sambatra hoan'ny vehivavy rehetra maneranantany, manerana an'ny Madagasikara ary ny vehivavy rehetra ato amin'ny Faritra Androy.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.