28 km ny fantsona vaovao, mponina 33 500 no hisitraka izany
AMBOVOMBE ANDROY, 22 Oktobra 2026 fa
Tonga teto Ambovombe Androy renivohitry ny Faritra Androy, androany ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely #Michaël_RANDRIANIRINA, niaraka tamin’ny vadiny, ny Praiminisitra ary ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, nandritra ny lanonana natokana ho an’ny tetikasa fanamafisana ny famatsian-drano mampitohy an’Andranogoa sy Ambovombey.
Nanatrika izany ihany koa ny Lehiben’ny Faritra Androy, Dr Djiby FIRAVOA, sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.
Anisan’ny votoatin’ity tetikasa ity ny fametrahana fantsona mitentina 28 km, izay natao hanamafisana ny tambajotran-drano sy hanatsarana ny famatsiana rano fisotro madio ho an’ny mponina.
Araka ny vinavina, dia mponina 33 500 no hisitraka mivantana ny tombontsoa azo avy amin’ity tetikasa ity, ka tanàna 20 no kendrena hahazo izany. Ankoatra izay, dia vinavinaina hahatratra 400 m³ isan’andro ny habetsahan’ny rano fanampiny hozaraina.
Tsy mijanona amin’ny fananganana fotodrafitrasa fotsiny ity tetikasa ity, fa heverina ho dingana lehibe amin’ny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka, ny fahadiovana ary ny fari-piainan’ny mponina, sady afaka manohana ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena ao amin’ny Faritra Androy.
Nandritra ny lahateniny, ny Lehiben’ny Faritra Androy, Dr Djiby FIRAVOA, dia naneho ny fankasitrahany sy ny fisaorana ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ary koa ny Minisiteran’ny Rano, ny Fidiovana ary ny Fahadiovana, noho ny ezaka natao ho fanatsarana ny famatsian-drano.
Nohamafisiny anefa fa tokony tsy hijanona amin’ny rano fisotro madio ihany ny ezaka, fa tokony hojerena ihany koa ny fampiasana ny rano ho an’ny fambolena sy ny fiompiana, izay isan’ireo sehatra lehibe iankinan’ny ain’ny mponina ato anatin'ny Faritra Androy manontolo.
Ho azy, ny fanamafisana ny famatsian-drano dia tokony hifanaraka amin’ny filàn’ny mponina amin’ny ankapobeny, ka hahafahana manohana ny famokarana sy mampiroborobo ny toekarena eny ifotony.
Amin’ny ankapobeny, ity tetikasa mampitohy an’Andranogoa sy Ambovombe ity dia heverina ho dingana iray lehibe amin’ny famahana ny olana mahakasika ny famatsian-drano ao amin’ny Faritra Androy.
Ny rano dia aina. Ary ny asa vita no porofon’ny fanompoana ny vahoaka.