𝟏8 𝐝𝐞𝐬𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟓-𝐅amangian'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repobilikan'i Madagasikara eto Androy sy fanamarihana ny 50 taona niasan'ny Delegasiona Sinoa teto Androy
Publié le : 20/12/2025
Notanterahina androany, teo ambany fiahian'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara Kolonely RANDRIANIRINA Michaël, notronin’ny Ambasadaoron'ny Repoblika Entimbahoaka ny Siny sy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka , ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena manga, Ary ny olomboafidy sy olomboantendry ato anatin'ny Faritra Androy tarihin'ny Goverinora mpisolo toerana Androy sy ny Lehiben'ny Fileovana ny Fitsidihana an'Androy.
Nanamarika ny lanonana fanamafisana ny Fiarahamiasa ny Fanjakana Malagasy sy ny Fanjakana Sinoa tamin'ny fiasanireo mpitsabo Izay EFA 50 niasa teto Androy.
Nisy arak'izany ny fanolorana fitaovana ho an'ny tokatrano 1000 avy amin'ny Fanjakana Sinoa Izay ahitana ( torche, bodofotsy, vary, Ary menaka), fanohanana ara-bola ho an'ny mpianatra 100 Izay avy amin'ny Ambasadaoro ny Siny.
Ho fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana sy fahasalamana manakaiky vahoaka dia nanolotra fiara tsimatahodalana 3 sy moto 76 ho anireo CSB ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika.
Mbola nisy ihiany koa ny fanolorana fitaovam-panjonoana ato anatin'ny Faritra Androy
Velompisaorana ny vahoaka ny Androy Ary manohana hatrany ny ezaka ataon'ny Fanjakana indrindra ny ho fampandrosoana ny Androy.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
