ALATSINAINY 04 MAI 2026-Fananganan-tsaina miaraka sy LA MARCHE DE SOLIDARITE (Diabe firaisan-kina) ho an’ny mpiasam-panjakana
Toy ny fanao isam-bolana, dia notanterahina androany ny fananganan-tsaina itambarana sy ny diabe firaisan-kina (la marche de solidarité) niarahan’ireo mpiasam-panjakana eto amin’ny renivohim-paritra Androy.
Nitarika izany ny Lehiben’ny Faritra Androy, Dr RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot dit Djiby FIRAVOA , ny Lehiben'ny Fileovana Ambovombe ary natrehanireo mpiasam-panjakana sivily sy miaramila.
Tamin'izany ihiany koa no nampahalalana ireo TALEM-PARITRA vao voatendry vaovao.
Nanome toromarika ny Lehiben'ny Faritra ny mba handraisana andraikitra hentitra amin'ny fanajana ny lalàna amin'ny fivezivezen'ny fiara, posiposy, bajaj mba hisorohana sy tsy hiverimberenan'ny loza.
Nanaraka izany ny ho fanomanana ireo hetsika rehetra ho fankalazana ny fetin'ny Fahaleovan-tena Malagasy.
Nandritra ny diabe ihiany koa no nojerena ny ;
-Fanombohan'ny adina ara-panatanjahantena EPS BEPC, niarahana tamin’ireo mpianatra ao amin’ny CISCO Ambovombe,
-Fijerena ny fahadiovan'ny Hopitaly CHRR Monja Jaona taorian'ny asan-tanamaro ara-panavaozana.
Ny Alatsinainy voalohan’ny volana JONA 2026 ny hetsika manaraka.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.
Aucun commentaire publié pour le moment. Soyez le premier !